Hanomboka eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny zoma izao ny fitsinjarana sy famarotana ireo Vary Tsinjo natokana hitsinjovana ny isan- tokantrano nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Hiparitaka any amin’ny faritra manerana ny Nosy izany amin’ny herinandro ho avy.
Hanomboka eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny zoma izao ny fitsinjarana sy famarotana ireo Vary Tsinjo natokana hitsinjovana ny isan- tokantrano nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Hiparitaka any amin’ny faritra manerana ny Nosy izany amin’ny herinandro ho avy.
1500 ariary ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpanjifa ka 05 kilao isan- kerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia hotsinjaraina any amin’ireo tsenakely miisa 984 izany ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny fanodikodinana.
Isan’ireo hivarotra amin’ny vidiny mirary 1500 ariary ny kilao ity vary ity ny Tsena Mora manerana ny Nosy ka ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma no hanatanterahan’izy ireo izany. Mila mitondra ny karinem-pokontany ireo mividy vary eny amin’ny tsenakely sy eny amin’ny Tsena Mora. Izany no natao dia mba hisian’ny fifampitsinjovana sy hiantefa any amin’ireo mpanjifa tena mila izany ny vary amidy amin’ny vidiny mirary.
Mifanaraka tsara amin’ny fepetra ara-pahasalamana ity vary nafarana ity ary efa nahazo ny « certificat de consommabilité» ho an’ny olombelona avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fahazoan-dalana amidy avy amin’ny ministeran’ny Varotra.
Ho famatsiana rano an’Antananarivo sy ireo faritra mijaly rano manerana ny Nosy dia hanao lava-drano ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano sy ny Jirama ho famatsian-drano azy ireo. Efa madiva hifarana ny fanadihadiana ara-teknika ataon’ny ministeran’ny rano ka hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano ka ahitana « nappe phréatique » afaka ahazoana mamatsy rano ireny toerana ireny. Ny rano azo avy amin’izany dia hatao hidiovana, hanasan-damba, sy handrahoina sakafo ary hampangotrahana vao azo sotroina.
Ho tohin’ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka dia neken’ny Filankevitry ny Minisitra ny fangatahana ny toerana iasan’ireo Masera Karmelita mikarakara ny marary nandritra ny 60 taona etsy amin’ny Hopitaly Befelatanana.
Ny SONAPAR no hisolo tena ny Fanjakana amin’ny fametrahana ny tetikasa hitantanana ny « Zone Industrielle » etsy Moramanga mirefy 80ha iarahana amin’ny orinasa Maorisianina Mauritius-afriva Funds Ltd na ny MAF.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fametrahana ny « Base Aérienne 213 ».
.
Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena:
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Tontolo iainana ary ny Fampandrosoana Lovain-jafy :
Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono:
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiantifika:
Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy :