Hanomboka eto Antananarivo Renivohitra, amin’ny zoma izao ny fitsinjarana sy famarotana ireo Vary Tsinjo natokana hitsinjovana ny isan- tokantrano nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Hiparitaka any amin’ny faritra manerana ny Nosy izany amin’ny herinandro ho avy.